Asan'ny Apostoly 7:39
Nefa ny razantsika tsy nety nanaiky azy, fa nandà, dia manina an’ i Egypta ny fony,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 7
Cross References
Exodus 14:11Ary hoy koa izy tamin’ i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atỳ an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta?
Exodus 17:3Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin’ i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay?
Numbers 14:3Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin’ ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?
Judges 11:2Ary ny vadin’ i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy; ary nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an’ i Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto amin’ ny taranaky ny rainay ianao, fa zanaky ny vehivavy hafa.
Nehemiah 9:16Fa niavonavona ireny razanay ireny, dia nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao,
Psalms 106:32Nampahatezitra an’ i Jehovah teo anilan’ ny ranon’ i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an’ i Mosesy noho ny nataon’ ireo;