Asan'ny Apostoly 8:25
Ary rehefa nanambara sy nitory ny tenin’ ny Tompo Petera sy Jaona, dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny filazantsara teny amin’ ny vohitra maro izay an’ ny Samaritana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 8
Cross References
Luke 9:52Ary nandefa iraka hialoha Azy Izy; dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ ny vohitra anankiray izay an’ ny Samaritana hamboatra ho Azy.
Acts 1:8Fa hahazo hery ianareo amin’ ny hilatsahan’ ny Fanahy Masìna aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’ i Jodia sy Samaria ary hatramin’ ny faran’ ny tany.
Acts 18:5Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin’ ny teny Paoly ka nanambara tamin’ ny Jiosy fa Jesosy no Kristy.
Acts 26:22Ary noho ny fitahian’ Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin’ ny kely na amin’ ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain’ ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy,
Acts 28:28Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen’ Andriamanitra izao dia nampitondraina ho any amin’ ny jentilisa, ary izy hihaino azy.
1 Peter 5:12Efa manoratra teny fohifohy ho aminareo aho hampitondraina an’ i Silasy, izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan’ Andriamanitra,― tomoera tsara amin’ izany ianareo.