Asan'ny Apostoly 9:31
Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran’ i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan’ ny Fanahy ka nihamaro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 9
Cross References
Deuteronomy 12:10Fa rehefa tafita an’ i Jordana ianareo ka monina any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo holovana, ary homeny fitsaharan’ ady amin’ ny fahavalonareo rehetra manodidina ianareo ka mandry fahizay,
Judges 3:30Dia resin’ ny tanan’ ny Isiraely ny Moabita tamin’ izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany.
1 Chronicles 22:18Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin’ ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin’ ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan’ i Jehovah sy teo anoloan’ ny olony.
Nehemiah 5:15Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin’ ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’ Andriamanitra.
Job 28:28Dia hoy Izy tamin’ ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin’ ny ratsy no fahalalana.
Psalms 94:13Mba homenao fitsaharana amin’ ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an’ ny ratsy fanahy.