Asan'ny Apostoly 9:34
Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin’ izay izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
35Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin’ ny Tompo.
Read all of Asan'ny Apostoly 9
Cross References
Matthew 9:6Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana eto ambonin’ ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
John 2:11Izany no nataon’ i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany.
Acts 3:12Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin’ izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
Acts 4:10dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran’ i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana, fa natsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty kosa, dia Izy no itsanganan’ io lehilahy io finaritra eto imasonareo.