Filazantsara araka an'i Jaona 2:11
Izany no nataon’ i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 2
Cross References
Exodus 7:19Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin’ ny ranon’ i Egypta ny tananao, dia ambonin’ ny sampan-dranony sy ambonin’ ny lahin-dranony, sy ambonin’ ny heniheniny, ary ambonin’ ny kamoriny rehetra, mba ho tonga rà ireny; ary hisy rà eran’ ny tany Egypta rehetra, na amin’ ny fitoeran-drano hazo na amin’ ny fitoeran-drano vato.
Psalms 72:19Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.
Ecclesiastes 9:7Mandehana, hano amin’ ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin’ ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan’ Andriamanitra ela ny asanao.
Malachi 2:2Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
John 1:17Fa ny lalàna dia nomena tamin’ ny alalan’ i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.
John 2:23Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin’ ny Paska, dia tamin’ ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony.