Epistily ho an'ny Kolosiana 3:15
Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’ i Kristy, fa ho amin’ izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary aoka ho ambonin’ izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ ny fahatanterahana izany.
Read all of Epistily ho an'ny Kolosiana 3
Cross References
Psalms 29:11Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin’ ny fiadanana.
Psalms 107:22Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin’ ny fihobiana.
Isaiah 26:3Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Isaiah 57:15Fa izao no lazain’ ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masìna no anarany: Ao amin’ ny fitoerana avo sy masìna no onenako, ary ao amin’ ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ ny torotoro fo;
Jonah 2:9Izay mivavaka amin’ ny sampy Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy
John 14:27Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’ izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.