Bokin'i Daniela 1:2
Ary ny Tompo nanolotra an’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, mbamin’ ny fanaka sasany tao an-tranon’ Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin’ ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon’ andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin’ ny trano firaketan’ andriamaniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 11:2Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin’ ny tany Sinara izy ka nonina teo.
Deuteronomy 32:30Hataon’ ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon’ ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy?
Judges 3:8Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an’ i Kosan-risataima valo taona ny Zanak’ Isiraely.
Judges 16:23Ary nivory ireo andrianan’ ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an’ i Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika Samsona fahavalontsika.
1 Samuel 31:9Ary notapahiny ny lohany, sady nalainy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin’ ny tanin’ ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany ao amin’ ny tranon’ ny sampiny sy amin’ ny olona.
2 Chronicles 36:7Ary ny fanaka sasany tao an-tranon’ i Jehovah dia nentin’ i Nebokadnezara ho any Babylona koa ka nataony tao amin’ ny tempoliny tany Babylona.