Bokin'i Daniela 10:11
Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Daniela 10
Cross References
Job 37:1Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin’ ny fitoerany.
Song of Solomon 7:10Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan’ ny malalako sady miditra misononoka amin’ ny molotry ny matory.
Daniel 8:16Ary nandre feon’ olona tao afovoan’ i Olay aho, izay niantso ka nanao hoe: Ry Gabriela, ampahalalao ny fahitana ity lehilahy ity.
Daniel 9:23Tamin’ ny niantombohan’ ny fivavakao dia nisy teny nivoaka, ka dia tonga hanambara aminao aho, satria malala indrindra ianao; koa diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana.
Daniel 10:19ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy.
John 13:23Ary nisy mpianatra anankiray nipetraka nihinana teo anilan’ i Jesosy, dia ilay tian’ i Jesosy.