Bokin'i Daniela 10:19
ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Ary nisy indray nanana endrik’ olona nanendry ahy koa, dia nampahery ahy
Read all of Bokin'i Daniela 10
Cross References
Joshua 1:6Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin’ ny razany homena azy.
Judges 6:23Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory.
Psalms 138:3Tamin’ ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko.
Isaiah 41:10Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ ny tanana ankavanan’ ny fahamarinako Aho.
Isaiah 43:1Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’ i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.
Daniel 10:11Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho.