The Bible Software
bible.software › Bokin'i Daniela › Bokin'i Daniela 10 › Bokin'i Daniela 10:16

Bokin'i Daniela 10:16

Ary, indro, nisy anankiray miendri-janak’ olombelona nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho ka niteny nanao tamin’ ilay nitsangana teo anatrehako hoe: Tompoko, azon’ ny fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy manan-kery intsony.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And, behold, one like the similitude of the sons of men touched my lips: then I opened my mouth, and spake, and said unto him that stood before me, O my lord, by the vision my sorrows are turned upon me, and I have retained no strength.

In Context

15Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia niankohoka tamin’ ny tany aho sady tsy nahateny.

17Fa aiza no ahazoan’ ity izaho mpanompon’ ny tompoko ity hiteny aminao tompoko? Ary tamin’ izay dia tsy nisy hery nitoetra tato amiko intsony, na nisy aina sisa tato amiko.

Read all of Bokin'i Daniela 10

Cross References

Exodus 4:13Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina.

Judges 6:13Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin’ izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain’ ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan’ ny Midiana.

Judges 13:8Ary Manoa nangataka tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin’ Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.

Isaiah 6:7Ary natehiny ny vavako izany, ka hoy izy: Indro, efa nitehika tamin’ ny molotrao io; ka dia afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao.

Ezekiel 1:26Ary teo ambonin’ ny eloelo, izay teo ambonin’ ny lohany, dia nisy endriky ny seza fiandrianana mitovy volo amin’ ny vato safira; ary teo ambonin’ ny endriky ny seza fiandrianana dia nisy hoatra ny endrik’ olona.

Ezekiel 33:22Dia efa tonga tamiko ny tànan’ i Jehovah tamin’ ny omaly harivan’ ny andro nahatongavan’ ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan’ ilay nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Daniela 10:16

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Daniela 10:15Bokin'i Daniela 10Bokin'i Daniela 10:17 →