Bokin'i Daniela 11:21
Ary hisy olona famingavinga hitsangana handimby io indray, izay tsy homena ny voninahitry ny fanjakana; fa hiditra tsy ampoizina izy ka hahazo ny fanjakana amin’ ny fahafetsena,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Daniela 11
Cross References
1 Samuel 3:13Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an’ ny tenany, nefa tsy nosakanany.
2 Samuel 15:6Ary toy izany no nataon’ i Absaloma tamin’ ny Isiraely rehetra izay nankao amin’ ny mpanjaka hotsaraina; ka dia voafetsin’ i Absaloma ho azy ny fon’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
Psalms 15:4Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an’ i Jehovah; tsy mivadika amin’ ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza,
Isaiah 32:5Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr’ andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be.
Daniel 8:9Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin’ ny anankiray amin’ ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin’ ny tany mahafinaritra.
Daniel 8:25Ary ny fahafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary izy hiavonavona am-po ka handringana ny maro amin’ izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny Andrianan’ ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona.