Bokin'ny Salamo 15:4
Tsy manaja ny ratsy fanahy, fa manome voninahitra ny matahotra an’ i Jehovah; tsy mivadika amin’ ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 15
Cross References
Joshua 9:18Fa tsy namely azy ny Zanak’ Isiraely, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no efa nianianan’ ny lohan’ ny fiangonana taminy. Dia nimonomonona tamin’ ireo loholona ny fiangonana rehetra.
2 Samuel 21:1Ary nisy mosary telo taona misesy tamin’ ny andron’ i Davida, ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin’ ny taranak’ i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.
2 Chronicles 36:13Ary nikomy tamin’ i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin’ Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanasarotra ny fony izy mba tsy hiverina ho amin’ Andriamanitry ny Isiraely.
Job 32:21Aoka tsy hizaha tavan’ olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.
Psalms 101:4Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka iza ratsy aho,
Psalms 119:63Naman’ izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman’ izay mitandrina ny didinao.