Bokin'i Daniela 11:36
Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin’ ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin’ Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Daniela 11
Cross References
Deuteronomy 10:17Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon’ ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan’ olona, na mandray kolikoly;
Job 23:13Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin’ ny fanahiny dia ataony.
Psalms 136:2Midera an’ Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Isaiah 10:5Endrey! ry Asyria, tsorakazon’ ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
Isaiah 10:25Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa.
Isaiah 14:14Hiakatra ho any ambonin’ ny havoan’ ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;