Bokin'i Daniela 11:45
Ary haoriny eo anelanelan’ ny ranomasina sy ny tendrombohitra masìna mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin’ ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Daniela 11
Cross References
Numbers 34:5ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta, ka dia mihatra amin’ ny ranomasina.
Isaiah 2:2Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
Isaiah 14:13Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ ny kintan’ Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
Ezekiel 39:2Hitarika sy hitondra anao hiakatra avy any amin’ ny farany avaratra Aho, dia ho entiko ho any an-tendrombohitry ny Isiraely ianao.
Daniel 7:26Fa hipetraka ny Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin’ ny farany izy.
Daniel 11:16Fa izay avy hamely azy dia hanao araka Izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin’ ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny an-tànany.