Bokin'i Daniela 11:6
Ary rehefa afaka taona vitsivitsy, dia hikambana izy roa lahy ireo; ary ho avy ny zanakavavin’ ny mpanjakan’ ny atsimo hankany amin’ ny mpanjakan’ ny avaratra hahatsara ny fihavanana; nefa tsy hahatana ny herin-tsandry izy, ary tsy hahajanona ilay mpanjaka na ny sandriny, fa hatolotra razazavavy sy ireo nitondra azy sy rainy niteraka azy mbamin’ izay nampahery azy tamin’ izany andro izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Daniela 11
Cross References
Job 38:15Ary hosakanana ny fahazavan’ ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
Ezekiel 30:21Ry zanak’ olona, ny sandrin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra.
Daniel 11:7Fa hisy solofony anankiray avy amin’ ny fakany hitsangana handimby azy, ka hihavian’ izay ny miaramila, ary hidirany ny fiarovana mafin’ ny mpanjakan’ ny avaratra, ka hasiany ireo, dia hahery izy.
Daniel 11:15Ka dia ho avy ny mpanjakan’ ny avaratra hanandratra tovon-tany hanafaka ny tanàna mimanda; ary na ny sandrin’ ny atsimo na ny olom-pidiny dia tsy hahomby, ary tsy hisy hery hahombiazany.
Zechariah 11:16Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon’ ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.