Bokin'i Joba 38:15
Ary hosakanana ny fahazavan’ ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And from the wicked their light is withholden, and the high arm shall be broken.
In Context
Cross References
2 Kings 6:18Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin’ i Elisa.
Job 18:5Tsy izany, fa ho faty ny jiron’ ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
Job 24:13Ireny no mpikomy amin’ ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin’ ny alehany.
Psalms 10:15Torotoroy ny sandrin’ ny ratsy fanahy; ary adino ny heloky ny mpanao ratsy mandra-paha-tsy hisy hitanao intsony.
Proverbs 4:19Ny alehan’ ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
Jeremiah 13:16Manomeza voninahitra an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, ary dieny tsy mbola tafintohina amin’ ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, ka raha miandry ny mazava ianareo, dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, ka hampodiny ho aizim-pito.