Bokin'i Daniela 12:4
Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Daniela 12
Cross References
Isaiah 8:16Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ ny mpianatro.
Isaiah 29:11Ary ny fahitana ny amin’ izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin’ ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;
Isaiah 30:26Ary ny fahazavan’ ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ ny masoandro, ary ny fahazavan’ ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan’ ny hafitoana, Amin’ ny andro hamehezan’ i Jehovah ny fahatorotoroan’ ny olony sy hanasitranany ny fery tamin’ ny namelezana azy.
Daniel 8:17Ary dia nankeo amin’ ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak’ olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany.
Daniel 8:26Ary dia marina ny amin’ ireo andro voalaza ireo, nefa ahorony ny fahitana, fa mbola ho andro maro izany.
Daniel 11:33Ary izay hendry ao amin’ ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon’ ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy.