Bokin'i Daniela 8:26
Ary dia marina ny amin’ ireo andro voalaza ireo, nefa ahorony ny fahitana, fa mbola ho andro maro izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Ezekiel 12:27Ry zanak’ olona, indro, ny taranak’ Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin’ ny fotoana mbola lavitra no vinaniny.
Daniel 10:1Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, dia nisy nambara tamin’ i Daniela, izay atao hoe Beltesazara; marina ny teny, ary ady mafy no nolazainy; ary nahalala ny teny izy sady nahafantatra ny fahitana.
Daniel 12:4Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ ny andro farany; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana.
Hosea 3:3Ary hoy izaho taminy: Andro maro no hitoeranao miandry ahy; fa tsy havela hijangajanga na hanambady olon-kafa ianao; ary izaho koa dia ho toy izany aminao.
Revelation 22:10Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity, fa antomotra ny andro.