Bokin'i Daniela 2:25
Dia nentin’ i Arioka faingana ho eo anatrehan’ ny mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan’ ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin’ ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 41:14Dia naniraka Farao ka nampaka an’ i Josefa, dia nalaina faingana niala tao an-davaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin’ i Farao.
Proverbs 24:11Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana!
Daniel 1:6Ary tamin’ ireo dia nisy avy amin’ ny taranak’ i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.
Daniel 6:13Dia nanatona izy ka niteny teo anatrehan’ ny mpanjaka noho ny amin’ ilay lalàn’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao sonia fa na zovy na zovy no hanao fangatahana, na amin’ Andriamanitra na amin’ olona, ato anatin’ ny telo-polo andro afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Marina izany, dia araka ny lalàn’ ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.