Bokin'i Daniela 2:31
Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 13:11Ary hatsingeriko amin’ izao tany rehetra izao ny faharatsiany, sy amin’ ny ratsy fanahy ny helony; Ary hatsahatro ny fireharehan’ ny mpiavonavona, Ary haetriko ny fiavonavonan’ ny mpampahory.
Ezekiel 28:7Dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra amin’ ny firenena, Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao
Daniel 2:37Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan’ ny mpanjaka sady nomen’ Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,
Habakkuk 1:7Mahatsiravina sy mahatahotra izy; Avy amin’ ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.
Luke 4:5Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin’ izao tontolo izao.