Bokin'i Ezekiela 28:7
Dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra amin’ ny firenena, Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 28
Cross References
Isaiah 23:8Iza no nikasa izany hamelezana an’ i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin’ ny tany ny mpivarony.
Ezekiel 26:7Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ho entiko avy any avaratra ho any Tyro Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, andrianan’ ny andriana, mitondra soavaly sy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka.
Ezekiel 30:11Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin’ ny firenena, no ho entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an’ i Egypta ireny, ka ho feno faty ny tany.
Ezekiel 32:12Ny sabatry ny mahery, izay samy masiaka indrindra amin’ ny firenena, ho entiko mandavo ny vahoakanao maro be, dia horavany ny reharehan’ i Egypta, ka ho fongotra ny vahoakany maro be rehetra.
Amos 3:6Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?