Bokin'i Daniela 2:41
Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan’ ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Daniel 7:7Nony afaka izany, dia nahita tamin’ ny fahitana tamin’ ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.
Revelation 12:3Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin’ ny lohany.
Revelation 17:12Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin’ ny bibi-dia izy.