Apokalypsin'i Jaona 17:12
Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin’ ny bibi-dia izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ ilay bibi-dia.
Read all of Apokalypsin'i Jaona 17
Cross References
Daniel 2:41Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan’ ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao.
Daniel 7:20ary ny amin’ ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.
Revelation 13:1Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin’ ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin’ ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin’ ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy.
Revelation 18:10eny, hijanona eny lavitra eny izy noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Babylona, izay tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! fa tamin’ ny ora izay monja dia tonga ny fitsarana anao.
Revelation 18:19Ary nanopy vovoka hiraraka tamin’ ny lohany izy, dia niantso sady nitomany sy nisaona ka nanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nampanan-karena izay rehetra manan-tsambo eny amin’ ny ranomasina noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy; fa tamin’ ny ora iray monja no nahafoana izany.