Bokin'i Daniela 3:12
Koa misy Jiosy izay nataonao ho tonian’ ny raharaha amin’ i Babylona sy ny fehiny, dia Sadraka sy Mesaka ary Abednego; ireo lehilahy ireo tsy mba manaiky ny teninao akory, ry mpanjaka ô: tsy mba manompo ny andriamanitrao izy, na mivavaka amin’ ny sariolona volamena izay efa natsanganao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra.
Cross References
Esther 3:8Ary hoy Hamana tamin’ i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ ny firenena samy hafa isan-tokony eran’ ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn’ ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin’ ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;
Ecclesiastes 4:4Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ ny fifampialonan’ ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
Daniel 6:13Dia nanatona izy ka niteny teo anatrehan’ ny mpanjaka noho ny amin’ ilay lalàn’ ny mpanjaka ka nanao hoe: Moa tsy misy lalàna nasianao sonia fa na zovy na zovy no hanao fangatahana, na amin’ Andriamanitra na amin’ olona, ato anatin’ ny telo-polo andro afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Marina izany, dia araka ny lalàn’ ny Mediana sy ny Persiana izay tsy azo ovana.
Acts 5:28ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin’ izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran’ izany Lehilahy izany.