Bokin'i Daniela 3:13
Dia niteny tamin’ ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan’ ny mpanjaka ireo lehilahy ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 4:5fa Kaina mbamin’ ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.
Esther 3:5Ary rehefa hitan’ i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.
Proverbs 27:3Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran’ ny adala dia manoatra noho izy roa tonta.
Daniel 2:12Dia vinitra sady tezitra indrindra ny mpanjaka noho izany, ka nasainy naringana ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra.
Matthew 10:18ary ho entiny eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ ny jentilisa.
Luke 6:11Dia safotry ny hatezerana izy ireo ka nioko ny amin’ izay hanaovany an’ i Jesosy.