The Bible Software
bible.software › Bokin'i Daniela › Bokin'i Daniela 3 › Bokin'i Daniela 3:28

Bokin'i Daniela 3:28

Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr’ i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin’ ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin’ izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Then Nebuchadnezzar spake, and said, Blessed be the God of Shadrach, Meshach, and Abed-nego, who hath sent his angel, and delivered his servants that trusted in him, and have changed the king’s word, and yielded their bodies, that they might not serve nor worship any god, except their own God.

In Context

27Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain’ ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin’ ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon’ afo akory taminy.

29Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin’ Andriamanitr’ i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.

Read all of Bokin'i Daniela 3

Cross References

Genesis 19:15Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona an’ i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny heloky ny tanàna.

1 Chronicles 5:20Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin’ izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’ Andriamanitra teo amin’ ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.

2 Chronicles 32:21Ary Jehovah naniraka anjely izay nandringana ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpanapaka ary ny komandy teo an-tobin’ ny mpanjakan’ i Asyria, ka dia lasa nody amin-kenatra Sankeriba. Ary nony niditra tao an-tranon’ ny andriamaniny izy, dia namono azy tao tamin’ ny sabatra ny zanany naterany.

Ezra 6:11Ary izaho manao didy fa na iza na iza no mandika izao teny izao, dia aoka hangalana hazo avy amin’ ny tranony, ary haorina, dia hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao firinga ny tranony noho izany.

Psalms 22:4Kanefa masìna Hianao, Ry mipetraka eo ambonin’ ny fideran’ ny Isiraely.

Psalms 33:18Indro, ny mason’ i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Daniela 3:28

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Daniela 3:27Bokin'i Daniela 3Bokin'i Daniela 3:29 →