Bokin'i Daniela 4:1
Izaho Nebokadnezara niadana tao an-tranoko ary faly finaritra tao an-dapako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Chronicles 12:18Ary Amasay, lehiben’ ny mpanafika malaza, dia nampitenenin’ ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak’ i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an’ ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin’ i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.
Ezra 5:7eny, nampitondrainy ho any aminy ny taratasy izay nisy teny toy izao: Ho an’ i Dariosy mpanjaka anie ny fiadanana be.
Esther 8:9Dia nantsoina tamin’ izay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin’ ny andro fahatelo amby roa-polo tamin’ ny volana fahatelo (volana Sivana izany); ary nosoratana araka izay rehetra nandidian’ i Mordekay izany ho any amin’ ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy ny governora ary ny mpanapaka amin’ ny isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny.
Daniel 3:29Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin’ Andriamanitr’ i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.
Daniel 6:27Manao lalàna aho mba hangovitan’ ny olona sy hatahorany eo anatrehan’ Andriamanitr’ i Daniela eran’ ny fanjakako rehetra; fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany haharitra hatramin’ ny farany.
Zechariah 8:23Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Amin’ izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.