bible.software › Bokin'i Daniela › Bokin'i Daniela 4 › Bokin'i Daniela 4:21
Bokin'i Daniela 4:21
izao no heviny, ry mpanjaka, ary izao no tendrin’ ny Avo Indrindra, izay mihatra amin’ itompokolahy mpanjaka:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Whose leaves were fair, and the fruit thereof much, and in it was meat for all; under which the beasts of the field dwelt, and upon whose branches the fowls of the heaven had their habitation:
In Context
20Ary ny nahitan’ ny mpanjaka ny mpiambina masìna anankiray nidina avy tany an-danitra nanao hoe: Kapao io hazo io, ary simbao; nefa avelao amin’ ny tany ao amin’ ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, fa asio fehy vy sy varahina, ary aoka ho kotsan’ ny andon’ ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho ao amin’ ny bibi-dia, ambara-pahalanin’ ny fetr’ andro fito aminy,
22Horoahina hiala amin’ ny olona ianao, ary ny fonenanao ho any amin’ ny bibi-dia ary hampihinanina ahitra toy ny omby ianao ary ho kotsan’ ny andon’ ny lanitra, ary fetr’ andro fito no holanina aminao, ambara-pahafantatrao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ ny fanjakan’ ny olona ka manome izany ho an’ izay tiany.
Read all of Bokin'i Daniela 4
Cross References
Ezekiel 17:23Ao amin’ ny tendrombohitra avon’ ny Isiraely no hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao aminy; ao amin’ ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.
Daniel 2:38ka ny zanak’ olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan’ izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany.
Luke 13:19Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain’ olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin’ ny rantsany.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'i Daniela 4:21