Filazantsara araka an'i Lioka 13:19
Tahaka ny voan-tsinapy izy, izay nalain’ olona ka namboleny tao an-tanimboly, ary naniry ka tonga haro; ary ny voro-manidina nitoetra tao amin’ ny rantsany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Dia hoy Jesosy: Tahaka ny inona ny fanjakan’ Andriamanitra? ary inona no hanoharako azy?
20Ary hoy koa Jesosy: Inona no hanoharako ny fanjakan’ Andriamanitra?
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 13
Cross References
Song of Solomon 4:12Saha voahidy ny havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.
Song of Solomon 6:2Lasa nidina ho any an-tsahany ny malalako, dia any amin’ ny tanim-boninkazo misy zava-manitra eo an-tsaha, hiandry ny ondriny eny amin’ ny tanimboly sy hioty ny lilia.
Isaiah 2:2Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
Isaiah 49:20Ny zanakao izay efa lasa teo dia mbola hilaza eo an-tsofinao hoe: Tsy omby ahy loatra ity tany ity, Mikisaha kely mba hitoerako.
Isaiah 53:1Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’ i Jehovah?
Isaiah 58:11Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin’ ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra.