Bokin'i Daniela 4:31
Ary rehefa tapitra ny andro, izaho Nebokadnezara nanandrandra ny masoko tamin’ ny lanitra, ary nody tamiko indray ny saiko, ka dia nisaotra ny Avo Indrindra aho ary nidera sy nankalaza Izay velona mandrakizay, ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay, ary ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 15:9Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky ny foko aminy, hotsoahako ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanako.
1 Samuel 15:23Fa ny miodina dia toy ny heloka amin’ ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin’ i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.
Psalms 145:13Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.
Daniel 4:34Koa amin’ izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan’ ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin’ ny fiavonavonana dia hainy aetry.
Daniel 5:28Paresa, zarazaraina ny fanjakanao ka omena ho an’ ny Mediana sy ny Persiana.
Daniel 12:7Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ ny rano amin’ ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin’ ny lanitra ka reko nianiana tamin’ Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ ny olo-masìna, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.