Bokin'i Daniela 4:5
Fa nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela, izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran’ andriamanitro, sady misy fanahin’ ireo andriamanitra masìna ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany hoe:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 41:1Ary rehefa afaka roa taona mipaka, dia nanonofy Farao, fa, indro, nitsangana teo amoron’ i Neily izy.
Daniel 1:7Ary izy ireo nomen’ ny lehiben’ ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego.
Daniel 2:28kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an’ i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan’ ny lohanao teo amin’ ny farafaranao dia izao:
Daniel 5:5Tamin’ izay dia nisy rantsan-tànan’ olona niseho ka nanoratra tandrifin’ ny jiro tamin’ ny lalotra sokay teo amin’ ny rindrin’ ny lapan’ ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay rantsan-tanana nanoratra.
Daniel 5:11Misy lehilahy ato amin’ ny fanjakanao izay manana fanahin’ ireo andriamanitra masìna ao anatiny; ary fony fahavelon-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tao aminy tahaka ny fahendren’ ireo andriamanitra; ka nataon’ i Nebokadnezara mpanjaka rainao, dia ny mpanjaka rainao, hoy izaho, ho lehiben’ ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro izy;