Daniel 1:7
Ary izy ireo nomen’ ny lehiben’ ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Ary tamin’ ireo dia nisy avy amin’ ny taranak’ i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.
Cross References
Genesis 41:45Ary nataon’ i Farao hoe Zafenata-panea no anaran’ i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin’ i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta.
2 Kings 24:17Ary Matania, rahalahin-drainy, no notendren’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanjaka hisolo an’ i Joiakina, ka novany hoe Zedekia no anarany.
Daniel 1:10Ary hoy ilay lehiben’ ny tandapa tamin’ i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an’ ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin’ ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako?
Daniel 2:49Ary Daniela nangataka tamin’ ny mpanjaka, ary izy nanendry an’ i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ho tonian’ ny raharahan’ i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo am-bavahadin’ ny mpanjaka.
Daniel 4:5Fa nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela, izay atao hoe Beltesazara, araka ny anaran’ andriamanitro, sady misy fanahin’ ireo andriamanitra masìna ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany hoe:
Daniel 5:12fa fanahy hendry sy fahalalana sy saina ary fahaiza-milaza nofy sy fanambarana teny sarotra sy fampisehoana hevitra miafina no hita tao amin’ izany Daniela izany, izay nomen’ ny mpanjaka anarana hoe Beltesazara, koa aoka hantsoina Daniela, fa holazainy ny hevitry ny teny.