Bokin'i Daniela 5:1
Belsazara mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an’ ny mpanolo-tsainy arivo lahy, ary teo anatrehan’ ireny no nisotroany divay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 40:20Ary tamin’ ny andro fahatelo, izay niherenan’ ny taona nahaterahan’ i Farao, dia nanao fanasana ho an’ ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka sy ny lohan’ ny lehiben’ ny mpanao mofo teo amin’ ny mpanompony.
Isaiah 21:4Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako.
Isaiah 22:12Ary amin’ izany andro izany Jehovah, Tompon’ ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.
Jeremiah 51:39Raha mbola liana izy, dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin’ ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.
Nahum 1:10Fa na dia miforiporitra toy ny tsilo aza ireny Sady vonton’ ny divay mahery fibobohany, Dia ho levona tokoa toy ny vodivary maina izy.