Bokin'i Isaia 21:4
Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 28:67Nony maraina ny andro dia hanao hoe ianao: Malakia hariva! ary nony hariva ny andro, dia hanao hoe ianao: Malakia maraina! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao, sy noho ny zavatra izay ho hitan’ ny masonao.
2 Samuel 13:28Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon’ i Amnona azon’ ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo.
Esther 5:12Ary hoy koa Hamana: He! Estera, vadin’ ny mpanjaka, aza tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin’ ny mpanjaka ho amin’ ny fanasana izay efa namboariny; fa nasainy hiaraka amin’ ny mpanjaka aho koa rahampitso.
Job 21:11Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman’ osy izy, ka mikoriana ny zanany.
Isaiah 5:11Lozan’ izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan’ ny andro ka ampirehetin’ ny divay!
Jeremiah 51:39Raha mbola liana izy, dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin’ ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.