Bokin'i Daniela 5:12
fa fanahy hendry sy fahalalana sy saina ary fahaiza-milaza nofy sy fanambarana teny sarotra sy fampisehoana hevitra miafina no hita tao amin’ izany Daniela izany, izay nomen’ ny mpanjaka anarana hoe Beltesazara, koa aoka hantsoina Daniela, fa holazainy ny hevitry ny teny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Chronicles 9:1Ary ny mpanjakavavin’ i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan’ i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin’ ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin’ i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin’ izay rehetra tao am-pony.
Proverbs 12:26Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan’ ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
Daniel 1:7Ary izy ireo nomen’ ny lehiben’ ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego.
Daniel 4:8Nihalehibe sy nihahery io hazo io, ary ny hahavony nipaka tamin’ ny lanitra, ary ny fijery azy dia hatrany amin’ ny faran’ ny tany rehetra.
Daniel 5:14Efa reko ny aminao, fa ianao manana fanahin’ ireo andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tsara hita ao aminao.
Daniel 6:3Koa tamin’ ireo dia nisy komandy lehibe telo lahy, ary Daniela no anankiray tamin’ ireo, mba hilazan’ ny solo-mpanjaka ny raharaha tsy hahafatiantoka ny mpanjaka.