bible.software › Bokin'i Daniela › Bokin'i Daniela 5 › Bokin'i Daniela 5:15
Bokin'i Daniela 5:15
Ary vao teo dia efa nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; fa tsy nahalaza ny hevitry ny teny izy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And now the wise men, the astrologers, have been brought in before me, that they should read this writing, and make known unto me the interpretation thereof: but they could not shew the interpretation of the thing:
In Context
14Efa reko ny aminao, fa ianao manana fanahin’ ireo andriamanitra sady misy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena tsara hita ao aminao.
16ary efa reko ny aminao, fa ianao no mahalaza hevitra sy mahay mampiseho hevitra miafina; koa raha mahavaky ny soratra sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia hampiakanjoina volomparasy, sy hasiana rofo volamena ny vozonao, ary ho isan’ ny mpanapaka telo lahy amin’ ny fanjakana ianao.
Read all of Bokin'i Daniela 5
Cross References
Isaiah 29:10Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany).
Daniel 2:3Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby ta-hahalala ny nofy ny fanahiko.
This Verse In Other Editions
Study Bokin'i Daniela 5:15