Bokin'i Daniela 5:3
Dia nentiny ny fanaka volamena izay nalaina avy teo amin’ ny tempolin’ ny tranon’ Andriamanitra tany Jerosalema, ary ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy sy ny vadiny mbamin’ ny vaditsindranony nisotro taminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Chronicles 36:18Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon’ Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa.
Jeremiah 50:28Injany! misy feon’ izay mandositra sy izay afaka avy any amin’ ny tany Babylona, hanambara ny famalian’ i Jehovah Andriamanitsika ao Ziona, dia ny famaliana noho ny tempoliny.
Habakkuk 1:11Dia mihelina toy ny rivotra izy Ary mandroso ka mahazo heloka. Izany heriny izany no andriamaniny!
1 Thessalonians 5:3Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian’ ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.