Bokin'i Jeremia 50:28
Injany! misy feon’ izay mandositra sy izay afaka avy any amin’ ny tany Babylona, hanambara ny famalian’ i Jehovah Andriamanitsika ao Ziona, dia ny famaliana noho ny tempoliny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 50
Cross References
Psalms 149:6Aoka hisy fanandratana an’ Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany,
Jeremiah 50:15Akoray manodidina izy! Fa efa nikoy; Nirodana ny bateriny, rava ny mandany; Fa famalian’ i Jehovah izany. Valio izy, eny, toy ny efa nataony no mba ataovinareo aminy kosa.
Jeremiah 51:50Hianareo izay tsy voan’ ny sabatra, mialà, fa aza mijanona; Tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra ianareo. Ary aoka ho mby an-tsainareo Jerosalema.
Lamentations 2:6Ary noravany an-keriny toy ny tanimboly ilay nofefena ho Azy, sady noravany ny trano fihaonany; Nataon’ i Jehovah hadino tao Ziona ny fotoam-pivavahana sy ny Sabata, ka nolaviny tamin’ ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona.
Daniel 5:23fa niavonavona tamin’ ny Tompon’ ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin’ ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon’ ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.