Bokin'i Daniela 6:15
Dia tezitra indrindra ny mpanjaka, raha nahare izany teny izany, nefa matiny ihany izy ny hanafaka an’ i Daniela, ka nanao izay tratry ny heviny hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Esther 8:8ary ianareo kosa dia manorata amin’ ny anaran’ ny mpanjaka izay sitrakareo hamonjy ny Jiosy, ka tombohy amin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka izany; fa tsy misy mahavadika ny soratra izay efa voasoratra tamin’ ny anaran’ ny mpanjaka sy efa voatomboka tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka
Daniel 6:8Ny komandy lehibe rehetra amin’ ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny governora dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy didy mafy ianao, ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin’ ny telo-polo andro, na amin’ Andriamanitra na amin’ olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.