Bokin'i Daniela 6:16
Dia somaritaka nivory ho any amin’ ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa izao no lalàn’ ny Mediana sy ny Persiana: Ny lalàna sy ny didy izay efa navoaky ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Samuel 3:39Ary tsy mbola manan-kery loatra aho izao, na dia mpanjaka efa voahosotra aza; ary ireo zanak’ i Zeroia ireo dia mahery sata loatra amiko; Jehovah anie hamaly izay nanao izao ratsy izao araka ny ratsy nataony.
Psalms 37:39Fa ny famonjena ny marina dia avy amin’ i Jehovah; Fiarovana mafy ho azy amin’ ny andro fahoriana Izy.
Psalms 118:8Tsara ny mialoka amin’ i Jehovah Noho ny mialoka amin’ ny olona.
Isaiah 43:2Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;
Jeremiah 38:5Dia hoy Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tananareo izy; fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo.
Jeremiah 39:17Nefa hovonjeko ianao amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tànan’ ny olona izay atahoranao.