Daniel 6:4
Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin’ ny fanjakana rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 41:38Dia hoy Farao tamin’ ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin’ Andriamanitra ao anatiny, va isika?
Judges 14:4Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin’ i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin’ ny Filistina Izy; fa tamin’ izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.
1 Samuel 18:14Ary Davida dia hita fa hendry tamin’ izay rehetra nataony, ary Jehovah nomba azy.
1 Samuel 22:14Ary Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin’ ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky tahaka an’ i Davida, izay vinanton’ ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy malaza ao an-tranonao?
Psalms 37:32Mitsikilo ny marina ny ratsy fanahy ka mitady hahafaty azy.
Ecclesiastes 4:4Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ ny fifampialonan’ ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.