Bokin'i Daniela 7:22
ambara-pihavin’ ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin’ ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan’ ny olo-masìna ny fanjakana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masìna ka naharesy azy,
Cross References
Psalms 149:5Aoka ny olona masìna hifaly amin’ ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.
Daniel 7:9Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon’ ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.
Matthew 19:28Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny ny Zanak’ olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ ny seza fiandrianana roa ambin’ ny folo ka hitsara ny firenen’ isiraely roa ambin’ ny folo.
1 Corinthians 6:2Sa tsy fantatrareo fa ny olona masìna dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo?
Revelation 1:6sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’ Andriamanitra Ray,― ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
Revelation 5:10Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’ Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin’ ny tany izy.