Bokin'i Daniela 8:10
Ary nihalehibe izy ka nihatra tamin’ ireo maro be eny amin’ ny lanitra; ary nisy nazerany ho amin’ ny tany ireo maro be sy ny kintana ka nohitsakitsahiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 14:13Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ ny kintan’ Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
Daniel 8:7Ary hitako nanatona ho eo anilan’ ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy, fa nazerany teo amin’ ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.
Daniel 11:28Ary hiverina ho any amin’ ny taniny mitondra harena be izy; koa ny fony dia hanohitra ny fanekena masìna; ary hahefa sy hiverina ho any amin’ ny taniny izy
Daniel 11:33Ary izay hendry ao amin’ ny olona dia hampianatra ny maro; nefa ho lavon’ ny sabatra sy ny lelafo sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy.