Bokin'i Daniela 8:7
Ary hitako nanatona ho eo anilan’ ny ondrilahy izy, dia nisafoaka taminy ka namely ny ondrilahy ary nanapaka ny tandrony roa, ka tsy nahajanona teo anoloany intsony ilay ondrilahy, fa nazerany teo amin’ ny tany ka nohitsakitsahiny; ary tsy nisy nahavonjy ilay ondrilahy teny an-tànany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 26:37Ary ho lavo mifanindry toy ny mandosi-tsabatra izy, na dia tsy misy manenjika aza; ka dia tsy hahajanona eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo.
Daniel 7:7Nony afaka izany, dia nahita tamin’ ny fahitana tamin’ ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.
Daniel 11:11Ary dia hisafoaka ny mpanjakan’ ny atsimo, ka hivoaka hiady aminy izy, dia amin’ ny mpanjakan’ ny avaratra, ary izy hanangona maro be; ary ny maro be dia hatolotra ho eo an-tànany.