Bokin'i Daniela 8:18
Ary raha niresaka tamiko izy, dia renoky ny torimaso teo amin’ ny tany aho; fa izy nanohina nampitsangana ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 15:12Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy.
Ezekiel 2:2Ary nisy fanahy tonga tao anatiko, raha niteny tamiko Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.
Daniel 8:27Ary izaho Daniela dia torana ka nandraiky narary andro vitsivitsy; ary nony afaka izany dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan’ ny mpanjaka; ary ka aho ny amin’ ny fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra izany.
Daniel 10:9Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny torimaso niankohoka tamin’ ny tany.
Daniel 10:18Ary nisy indray nanana endrik’ olona nanendry ahy koa, dia nampahery ahy
Luke 9:32Ary efa navesatry ny tory ny mason’ i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’ i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.