Bokin'i Daniela 9:26
Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masìna; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin’ ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 22:15Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
Isaiah 28:2Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; Koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin’ ny tany.
Isaiah 53:8Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’ ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ ny tanin’ ny velona Izy, ka ny fahadisoan’ ny oloko no nikapohana Azy?
Daniel 9:27Ary hanorina fanekena ho herinandro amin’ ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin’ ny antsasaky ny herinandro, ary amin’ ny elatry ny fahavetavetana no nihavian’ ny mpandrava, hatramin’ ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin’ ny mpandrava.
Daniel 11:17Dia hivonona tsara handeha amin’ ny herin’ ny fanjakany rehetra izy ka hanao izay hahatsara ny fihavanana; ary homeny ny zanakavavin’ ny vehivavy izy ka hahatonga loza aminy; ary tsy hahalavorary razazavavy, na hahasoa azy akory.
Hosea 1:9Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.