Bokin'i Daniela 9:5
efa nanota izahay sady nanao meloka ary nanao ratsy sy niodina, eny, efa niala tamin’ ny didinao sy ny fitsipikao izahay,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 8:47ary mahatsiaro any amin’ ny tanin’ ireo namabo azy ireo izy, ka mibebaka sy mifona aminao any amin’ ny tany izay nitondrany azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy.
2 Kings 21:15satria efa nanao izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin’ ny andro nivoahan’ ny razany avy any Egypta ka mandraka androany.
Ezra 9:6ka nanao hoe: Andriamanitro ô, menatra sy mangaihay aho, raha miandrandra aminao, ry Andriamanitro ô; fa efa nihamaro mihoatra ny lohanay ny helokay, ary ny fahotanay dia lehibe manakatra ny lanitra;
Nehemiah 9:33Hianao no marina tamin’ izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao; fa izahay no nanao ratsy;
Psalms 106:6Efa nanota izahay mbamin’ ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.
Isaiah 53:6Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’ i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.