Bokin'ny Deoteronomia 11:16
Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an’ ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina ianao ka ho voky.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 11
Cross References
Deuteronomy 4:9Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ ny masonao, ary andrao miala amin’ ny fonao izany, amin’ ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,
Deuteronomy 5:7Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
Deuteronomy 12:30dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany.
Deuteronomy 17:3ka lasa mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka aminy na amin’ ny masoandro, na amin’ ny volana, na amin’ ny kintana, izay zavatra efa nandrarako azy,
Deuteronomy 29:17fandrao hisy lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy, na firenena eto aminareo, izay manana fo mivily anio, ka miala amin’ i Jehovah Andriamanitsika, handehanany hanompo ny andriamanitr’ ireny firenena ireny; fandrao hisy faka eo aminareo izay miteraka zava-mangidy sady mahafaty;
Deuteronomy 30:17Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankokoha eo anatrehan’ izay andriamani-kafa sy hanompo azy,