Bokin'ny Deoteronomia 14:22
Aloavy tsara ny ampahafolon’ ny vokatra rehetra avy amin’ ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thou shalt truly tithe all the increase of thy seed, that the field bringeth forth year by year.
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 14
Cross References
Genesis 47:24Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an’ i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin’ izay ao an-tranonareo ary hohanin’ ny zanakareo.
Leviticus 27:30Ary ny ampahafolon’ ny vokatra rehetra ao amin’ ny tany, na avy amin’ ny tanimbary, na avy amin’ ny saha, dia an’ i Jehovah; masìna ho an’ i Jehovah izany.
Numbers 18:31Dia mahazo mihinana izany eo amin’ ny fitoerana rehetra ianareo sy ny ankohonanareo; fa karamanareo izany noho ny fanompoanareo ao amin’ ny trano-lay fihaonana.
Deuteronomy 12:17Tsy azonao hanina ao an-tanànanao, na ny ampahafolon’ ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao, na ny zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanati-tsitraponao, na ny fanatitra asandratry ny tananao.
Nehemiah 10:37ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin’ ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman’ osinay dia nekenay hohentina ho an-tranon’ i Jehovah Andriamanitsika, ho an’ ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ Andriamanitsika;