Bokin'ny Deoteronomia 14:21
Aza homana izay maty ho azy, fa omeo ho an’ ny vahiny izay ao an-tanànanao izany mba hohaniny, na amidio amin’ ny olona hafa firenena; fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Ny zava-manana elatra izay madio no ho fihinanareo.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 14
Cross References
Exodus 22:30Ary ho olona masìna ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo; fa harianareo ho an’ ny amboa izany.
Exodus 34:26Ny santatra amin’ ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
Leviticus 17:15Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro izy, vao hadio.
Leviticus 22:8Izay maty ho azy, na izay noviravirain-biby, dia tsy hohaniny, mba tsy hahaloto azy: Izaho no Jehovah.
Ezekiel 4:14Dia hoy izaho: Indrisy Jehovah Tompo ô, indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay nofo fahavetavetana.
Daniel 12:7Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ ny rano amin’ ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin’ ny lanitra ka reko nianiana tamin’ Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ ny olo-masìna, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.